TAFIKA MALAGASY ETO ANTSIRANANA : NANATANTERAKA NY FANAMBARAM-PANANANA SY TOMBONTSOA ARA-TOEKARENA TETO AMIN’NY BIANCO
Antsiranana, 16 novambra 2026 – Tonga nametraka ny fanambaram-pananana sy tombontsoa ara-toekarena teto amin’ny BIANCO Antsiranana androany ireo manamboninahitra ambony avy amin’ny Tafika Malagasy, lehiben’ireo fiofanana miaramila ato amin’ny faritra DIANA, izay teo ambany fitarihan’ny Jeneraly ANDRIANAIVOSON Herisoa Nomenjanahary, Kaomandin’ny Brigade d’Infanterie NORD. Noraisin’ny Tale iraisam-paritry ny BIANCO Antsiranana, Atoa HERY DODANIRINA Hans Willy izy ireo.
Nandritra izany no nanatanterahan’ireo manamboninahitra ambony voakasik’izany ny adidiny amin’ny fametrahana ny fanambaram-pananana sy tombontsoa ara-toekarena izay voatondron’ ny lalàna 2016-020 momba ny ady amin’ny kolikoly.
Tsiahivina fa adidy tsy maintsy tanterahin’ireo olona voakasik’izany araka ny lalàna ny fanaovana fanambaram-pananana. Anisan’ny fepetra lehibe entina hisorohana ny kolikoly sy hampanjakana ny mangarahara eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izany. Ny mangarahara amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no antoka voalohany hitokisan’ny vahoaka ny andrim-panjakana.